Acts 21

1Rehefa niala teo amin’izy ireo izahay dia niantsambo, ary nizotra lala-mahitsy nankany amin’ny tanànan’i Kosy, nankany amin’ny tanànan’i Rody ny andro manaraka, ary avy ao dia nankany amin’ny tanànan’i Patara. 2Rehefa nahita sambo niampita nankany Foinika izahay, dia niditra tao izahay ka niantsambo.

3Rehefa avy nahita an’i Kyprosy, dia namela izany teny ampitan’ny sambo, niantsambo ho any Syria izahay ary niantsona tao Tyro, toerana izay namoahan’ireo tantsambo ny entana tao anaty sambo. 4Raha vao nahita an’ireo mpianatra izahay, dia nijanona tany nandritra ny fito andro. Tamin’ny alalan’ny Fanahy dia nandresy lahatra an’i Paoly hatrany izy ireo mba tsy handeha ho any Jerosalema.

5Rehefa tapitra ny andronay teny, dia niala tao izahay ka nandeha tamin’ny làlanay, ary izy rehetra, niaraka tamin’ireo vady aman-janany, nanaraka nivoaka tao amin’ny tanàna. Ary nandohalika teny amorn-dranomasina dia nivavaka 6ary nifanao veloma. Dia niditra tao an-tsambo izahay, ary izy ireo niverina tany an-tranony.

7Rehefa vitanay ny dia tany Tyro, dia tonga tany Ptolemaisy izahay. Tany dia nihaona tamin’ireo rahalahy ary nijanona iray andro niaraka tamin’izy ireo. 8Ny ampitso dia niala tao izahay ary nandeha tany Sezarea. Niditra ny tranon’i Filipo isika, evanjelista, izay iray tamin’ireo fito, ary nijanona niaraka taminy izahay. 9Ankehitriny io lehilahy io dia nanan-janaka vavy virjiny efatra izay naminany.

10Rehefa nijanona tao nandritry ny andro maromaro izahay, dia nisy mpaminany anankiray nidina avy tany Jodia nantsoina hoe Agabo. 11Nanatona anay ary naka ny fehikibon’i Paoly izy. Tamin’iny no namatorany ny tongony sy ny tanany ary niteny hoe: “Hoy ny Fanahy Masina, ‘dia ho toy izao no hamatoran’ ireo Jiosy any Jerosalema ny lehilahy izay tompon’ity fehin-kibo ity, ary hanolotra azy eo an-tanan’ireo Jentilisa.’”

12Rehefa naheno izany zavatra izany izahay, dia izahay sy ireo olona monina tao amin’io toerana io dia niangavy tamin’i Paoly tsy hiakatra ho any Jerosalema. 13Ary namaly i Paoly nanao hoe: “Inona no ataonareo, mitomany sy mandratra ny foko? Izaho efa vonona, tsy hoe hofatorana fotsiny ihany, fa ho faty any Jerosalema ihany koa amin’ny anaran’i Tompo Jesosy.” 14Satria tsy naniry ny horesen-dahatra i Paoly, dia nijanona nanandrana izahay ary niteny hoe: “Aoka ho tanteraka ny sitra-pon’ny Tompo.”

15Tao aorian’ireo andro ireo, dia nitondra ny kitaponay izahay ka niakatra nankany Jerosalema. 16Dia nisy ireo mpianatra sasany ihany koa avy any Sezarea nanaraka anay. Nitondra lehilahy iray niaraka taminízy ireo izay nantsoina hoe Menasona, lehilahy avy any Sipra, mpianatra mainty molaly, izay tokony hiarahanay mitoetra.

17Rehefa tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay am-pifaliana ireo rahalahy. 18Ny ampitso dia nanaraka anay i Paoly ho any amin’i Jakoba, ary teo daholo ireo loholona rehetra. 19Rehefa avy niarahaba azy ireo izy, dia nitatitra tsirairay ireo zavatra rehetra izay efa nataon’Andriamanitra tamin’ireo Jentilisa tamin’ny alalan’ny asa fanompoany.

20Rehefa nandre izany izy ireo, dia nidera an’Andriamanitra, ary niteny taminy hoe: “Hitanao, ry rahalahy, an’arivony firy no nino tamin’ireo Jiosy. Tapa-kevitra izy rehetra hitandrina ny lalàna. 21Efa nolazan’izy ireo ny momba anao, fa ianao dia mampianatra ireo Jiosy rehetra izay mipetraka eo amin’ireo Jentilisa hahafoy an’i Mosesy, ary ianao milaza azy ireo tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fomba taloha.

22Inona no tokony ho hataontsika? Ho ren’izy ireo tokoa fa tonga ianao. 23Koa ataovy izay lazainay anao. Manana lehilahy efatra izay nanao voady izahay. 24Ento ireo lehilahy ireo ary diovy miaraka amin’izy ireo ny tenanareo, ary haloavy ireo fandanian’izy ireo, mba hanaratra ny lohany izy ireo. Ka ho fantatry ny olona rehetra fa ireo zavatra izay nolazaina momba anareo dia diso. Ho fantatr’izy ireo fa ianao dia manaraka lalàna ihany koa.

25Fa mikasika ireo Jentilisa izay nino, izahay dia nanoratra sy nanome torolalana fa tokony hitandrina ny tenany amin’ny zavatra vita sorona ho an’ny sampy izy ireo, avy amin’ny rà, avy amin’izay nokendaina, sy avy amin’ny fijangajangana. 26Avy eo dia nalain’i Paoly ireo lehilahy, ary ny ampitso, izy nanadio ny tenany niaraka tamin’izy ireo, niditra tao an-tempoly, nanambara ny vanim-potoanan’ny andron’ny fanadiovana, mandra-panatitra ny fanatitra ho an’ny olona tsirairay tamin’izy ireo.

27Rehefa ho tapitra ireo andro fito, ireo Jiosy sasantsasany avy any Asia, nahita an’i Paoly tao an-tempoly, nampikorontana ireo vahoaka manontolo, ary nisambotra azy. 28Nitabataba izy ireo hoe: “Ry olon’Israely, ampio izahay”. Io ilay lehilahy izay mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza ireo zavatra izay manohitra ny olona, ny lalàna, ary ity toerana ity. Fanampin’izany, nitondra Grika tao an-tempoly ihany koa izy ary nandoto an’ity toerana masina ity. 29“Fa izy ireo teo aloha nahita an’i Trofima izay Efezianina niaraka taminy tao an-tanàna, ary nieritreritra izy ireo fa i Paoly no nitondra azy tao an-tempoly.

30Nifanaritaka ny tanàna rehetra, ary niaraka nihazakazaka sy nisambotra an’i Paoly ny olona. Nisintona azy hivoaka ao amin’ny tempoly izy ireo, dia nakatona teo noho eo ny varavarana. 31Raha teo am-pamonoana azy izy ireo, dia nisy vaovao tonga tany amin’ny kapitenin’ny mpiambina fa mikorontana avokoa Jerosalema iray manontolo.

32Avy hatrany dia naka miaramila sy kapiteny izy ary nihazakaza nidina nankany amin’ireo vahoaka. Rehefa nahita ny kapiteny sy ireo miaramila ny vahoaka, dia nijanona nikapoka an’i Paoly izy ireo. 33Dia nanatona ilay kapiteny ary nisambotra an’i Paoly, ary nasainy nofatorana tamin’ny rojo vy roa izy. Dia nanontany izy hoe iza izy ary inona no nataony.

34Ny sasany tamin’ireo vahoaka nitabataba zavatra iray ary ireo hafa zavatra hafa. Satria tsy afaka niteny na inona na inona ny kapiteny noho ny tabataba rehetra, dia nasainy nentina ho any amin’ny rova i Paoly. 35Rehefa tonga teo amin’ny tohatra izy, dia nentin’ireo miaramila izy noho ny herisetran’ny vahoaka. 36Fa nanaraka tao aoriana ny vahoaka be ary nanohy nihorakoraka hoe: “Vonoy izy”

37Raha iny ho entina tao an-drova iny i Paoly, dia hoy izy tamin’ny kapiteny: “Afaka miteny zavatra aminao ve aho?” Hoy ilay kapiteny hoe: “Miteny Grika ve ianao? 38Tsy ianao ve ilay Egyptiana, izay nitarika fikomiana tany aloha ary nitarika ireo efatra arivo lahy an’ny ‘mpamono olona’ nivoaka avy tany an-tany efitra?”

39I Paoly dia niteny hoe: “Izaho dia Jiosy, avy any amin’ny tanàn’i Tarsosy any Kiliaka. Izaho dia olom-pirenen’ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao aho, avelao aho hiteny amin’ny olona”. Rehefa namela azy hiteny ilay kapiteny, dia nitsangana teo amin’ny tohatra i Paoly ary nanao fihetsika tamin’ny tànany tamin’ny vahoaka. Rehefa nisy fahanginana lalina, dia niresaka tamin’izy ireo tamin’ny fiteny Hebreo izy. Hoy izy:

40

Copyright information for PltULB